Other News

Misafotofoto

Miditra an-tanety anio ny rivodoza Cheneso. Efa misam­boaravoara ny ranomasina. Misafotofoto ny rivotra. Mikija ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratra atsinanana sy atsinanan’ny nosy. Aty an-drenivohitra aza, vao maraina efa misy ny tsiotsio-drivotra hafahafa izany, hatry ny omaly. Midika izany fa mafimafy ny rivotra entiny. Ahiana ho ratsy ny […]

Efa nigadra teny Tsiafahy: nizerianina naiditra am-ponja eny Antanimora

Tsy mety fay. Efa avy nigadra teny Tsiafahy, mbola nanohy ny asa ratsiny ihany. Nidoboka eny Antanimora indray ity Nizerianina mpanao trafikana rongony “méthamphétamine” ity. Naiditra am-ponja ny ta­lata 17 janoary teo eny Antanimora indray, ilay teratany nizerianina nahatrarana rongony mahery vaika tetsy Ambohitriman­jaka. Efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina […]

Tsenan’Anosibe : mpangalatra « verse­ment » voafandriky ny mpivarotra

Nampitaraina ireo mpivarotra ao Anosibe ny fisiana jiolahy mpangala-bola tato ho ato. Tapitra very ireo vola ma­tin’izy ireo apetraka ao anatin’ny tsena rehefa alina ka antony nanaovan’ireo mpivarotra velam-pandrika. Raikitra ny fanaraha-maso. Noraisim-potsiny, ny lehilahy iray ni­tondra fîtaovana hanampitsohany tsena. Nidi­tra avy amin’ny tafo, efa fa­naon’ity mpangalatra ity ny mitety […]

Mpangalatra moto : efa-dahy saron’ny polisy teo am-pivarotana

Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano. Tra-tehaka tamin’ny alalan’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ireo efa-dahy mpangalatra moto tao Bazary Be, Toama­sina, omaly. Niditra tao ami­na tranon’ny mpandraharaha iray tao an-toerana, lasan’izy efa-dahy ireo ny moto tamin’ny 2 ora maraina. Nampandre avy hatrany mpitandro filaminana ny tompon’entana very. Natao ny […]