Miditra an-tanety anio ny rivodoza Cheneso. Efa misamboaravoara ny ranomasina. Misafotofoto ny rivotra. Mikija ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratra atsinanana sy atsinanan’ny nosy. Aty an-drenivohitra aza, vao maraina efa misy ny tsiotsio-drivotra hafahafa izany, hatry ny omaly. Midika izany fa mafimafy ny rivotra entiny. Ahiana ho ratsy ny […]
Other News
Efa nigadra teny Tsiafahy: nizerianina naiditra am-ponja eny Antanimora
Tsy mety fay. Efa avy nigadra teny Tsiafahy, mbola nanohy ny asa ratsiny ihany. Nidoboka eny Antanimora indray ity Nizerianina mpanao trafikana rongony “méthamphétamine” ity. Naiditra am-ponja ny talata 17 janoary teo eny Antanimora indray, ilay teratany nizerianina nahatrarana rongony mahery vaika tetsy Ambohitrimanjaka. Efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina […]
Tsenan’Anosibe : mpangalatra « versement » voafandriky ny mpivarotra
Nampitaraina ireo mpivarotra ao Anosibe ny fisiana jiolahy mpangala-bola tato ho ato. Tapitra very ireo vola matin’izy ireo apetraka ao anatin’ny tsena rehefa alina ka antony nanaovan’ireo mpivarotra velam-pandrika. Raikitra ny fanaraha-maso. Noraisim-potsiny, ny lehilahy iray nitondra fîtaovana hanampitsohany tsena. Niditra avy amin’ny tafo, efa fanaon’ity mpangalatra ity ny mitety […]
Mahanoro : tafihin’ny jiolahy avy any Mananjary
Velon-taraina efa hatry ny ela ny vahoaka ao Mahanoro fa mirongatra ny vaky trano miharo fanendahana an-dalambe hatreny amin’ny trano fandihizana. Manao ny ataony mihitsy ny jiolahy any an-toerana ary tsy mifidy hangalarina intsony izy ireo. Noho izany, nanao izay ho afany ny polisy notarihin’ny kaomisera Tsima Angelo, nanao ny […]
Mpangalatra moto : efa-dahy saron’ny polisy teo am-pivarotana
Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano. Tra-tehaka tamin’ny alalan’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ireo efa-dahy mpangalatra moto tao Bazary Be, Toamasina, omaly. Niditra tao amina tranon’ny mpandraharaha iray tao an-toerana, lasan’izy efa-dahy ireo ny moto tamin’ny 2 ora maraina. Nampandre avy hatrany mpitandro filaminana ny tompon’entana very. Natao ny […]






