Nanao hetsika fanairana ny fanjakana, hijery akaiky ny haratsian-dalana ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena, omaly alatsinainy 16 janoary, taorian’ny fe-potoana 15 janoary nomen’izy ireo. Antony, miteraka fahasimbana sy loza mateti-pitranga ny haratsian’ny lalana, nefa toy ny antso an’efitra ihany no natao hatramin’izay, ka tonga amin’izao hetsika izao. Niantso ny […]
Other News
Tsy mampiasa akora simika: mahalonaka ny tany ny zezi-pahitra Bokashi
Misy ny tetikasa Filamatra atao eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano, tohanan’ny fikambanana Cemes, manohana ny tantsaha, hanatsarana ny fomba fambolena sady mitsinjo ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’izy ireo ara-bola ny japoney. Isan’ny tantsoroka omena ny tantsaha ny fampiasana ny fomba famokarana ampiasana ny akora sy zavamaniry eto an-toerana, hanamboarana […]
Madagascar Mozarteum : hisy « Concert d’orgue » roa
Hiavaka ny hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2023. Fampisehoana « Concerts d’orgue » indroa miantoana no hotanterahina miaraka amin’i Miravo Ramarolahy sy Hasina Stéphane (traompetra) ary i By Ramaroson (saksofona soprano). Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-135 amin’ny « Concert classique du midi », ilay hotontosaina ny talata 24 janoary ao amin’ny Ekar Faravohitra izy […]
“Concours d’affiche sensibilisation 2022” : misokatra ho an’ny olona rehetra ny fifidianana
Fantatra nanomboka ny 11 janoary 2023, ny mpandray anjara miisa 10 hofidina ao anatin’ny fifaninanana “Concours d’affiche de sensibilisation 2022”, nokarakarain’ny CID na Communication Idea Development. Izy ireo izay voafidin’ny mpitsara tao anatin’ny 253 nandray anjara. Ao amin’ny tambajotra sosialy no handeha ny fifidianana, izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. […]
Fakafaka: Mila fanahy i Madagasikara
Tsy ilay fanahy resahina any am-piangonana akory io fa ilay « fanahy maha olona » izay fantatry ny Malagasy tsara ny fisiany. Izany hoe, fahalalana fa tsy finoana eto no hofakafakaina. « Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy. Tsy afa-manao na inona na inona fa ilay elatra natao […]






