Vao afaka fanadinana CEPE : Notifirina teo amin’ny lohany i Soaline

Maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany i Soaline. Tezitra noho ny tsy fisiam-bola saika hangalarina ireo mpanafika mitam-basy ka nanamparan’izy ireo ny hatezerany izy. 12 taona, vao afaka fanadinana CEPE ity zaza lasibatra ity.

Notafihin’ny jiolahy miisa roa, mirongo fitaovam-piadiana, ny tokantrano iray, tany Mangarivotra parisela 21/53, disitrikan’i Toama­sina, afakomaly alina, tamin’ny 7 ora sy sasany. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ny olon-dratsy. Teo am-pisakafoana hariva izy efa-mianaka tamin’io no niditra an-keriny ireo jiolahy. Nandrahona sy nitaky ny vola rehetra tao amin’ny tompon-trano. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay raim-pianakaviana sy ny zanany vavy rehefa noteren’ireo tsy mataho-tody. Tezitra ireo jiolahy rehefa naheno izany. Nama­hana basy ka nitifitra ny zanakavavin’ireo mpivady tao an-trano. Vokany, naratra mafy voatifitra teo amin’ny lohany ilay ankizivavy vao 12 taona tao an-trano. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Lasa nitsoaka izy roa lahy mpanafika taorian’izay.
Ankizy vao afaka fanadinana CEPE i Soaline, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Sahirana ara-pivelomana ny ray aman-dreniny. Anisan’ny ravan’ny rivodoza Gezani, izay nandalo teto amin’ny Nosy ny volana febroary 2026 lasa teo, ny tranon’izy ireo. Tsy anisan’ny olona nahazo fanampiana tamin’ny Fid na BNGRC koa na teo aza ny faharavana nihatra taminy, raha ny fanazavana voaray hatrany. An­koatra izay, nisy naka ankeriny ihany koa izy io ny volana marsa lasa teo saingy avotra soa aman-tsara. Mbola tsy nandeha akory ary ny raharaham-pitsarana mahakasika izany.
Tranga hafa

Ankoatra izay, notafihin’ny jiolahy ny toeram-pivarotana zava-pisotro iray ny zoma alina hifoha sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, tany an-toerana. Mbola nisokatra ny tsena. Mbola nisy mpanjifa nividy zavatra no tonga ny jiolahy. Nandeha fiara 4*4 izy ireo. Niditra sy nanambana basy ny mpivarotra avy eo. Nasain-dry zalahy niondrika tamin’ny tany avokoa ny olon-drehetra tao an-tsena, noterena hamoaka ny vola. Nanapoaka basy indray mandeha ihany koa. Voaroba, nandritra izany, ny finday sy ny vola niditra rehetra tao an-tsena. Lasa nitsoaka izy ireo taorian’izay.
Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ny mponina any an-toerana manoloana izao trangana tsy fandriam-pahalemana miseholany izao. Mitaky ny hiarovan’ny mpitandro filaminana ny ainy sy ny fanananany koa izy ireo.

Sajo/ Mino

Partager sur: