Nitrangana haintrano mahatsiravina tao Mangarivotra parisela 21/52, ny alakamisy lasa teo. May kilan’ny afo tanteraka ny trano miisa roa misy rihana. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina raha vao nahare ny antso vonjy. Voafehy haingana ny afo noho ny fiaraha-miasa teo […]
Other News
Barea sy Niger: Rava ady sahala
Tapitra omaly ny lalao fanomanana hiatrehana ny Chan 2023, izay atao any Algérie, ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary. Nirava ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Barea de Madagascar sy Niger, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’ny La Cigale Tubarka Tonizia. “Mbola misy foana ny […]
Eran-tany
Matetika ankehitriny ny fahatapahan-jiro any Kiev hatramin’ny nisian’ny ady Ukraine. Maharitra fotoana lava ny fahatapahan’ny herinaratra, indrindra hatramin’ny fandarohan’ ny Rosianina ireo fotodrafitrasa any an-toerana. Ao renivohitra Kiev, efa matetika izao ny fahatapahan’ny herinaratra, ary manomboka zatra izany ny mponina. Efa manomboka zatra ny tsy fisian’ny herinaratra ny mponina, mihena […]
Madagasikara: vitsy ny olona am-perinasa
Mahazo vahana ny tsy an’asa manerana ny Nosy, mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny olona tokony hiasa, araka ny tombantomban’ny olona iray ao amin’ny minisiteran’ny Asa. Maivana dia maivana ny tahan’olona am-perinasa, 3 % hatramin’ny 4 % ny tanora, ary 1,5 % izany manerana ny faritra. Nanambara ny ao amin’ny […]
Vidim-bary: « Hampiharina amin’ireo mpanararaotra ny sazy »
Handray ny andraikitra tandrify azy ny minisitera misahana ny varotra sy ny Fanjifana. «Ny fandikan-dalàna na fanafenana entam-barotra, toy ny vary dia hiharan’ny sazy henjana. Eo koa ny sazy amin’ny maha mpivarotra azy», hoy ny tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC), Razanakoto Isidore, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny […]






