“Tsy mazoto ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), raha ny resaka nifanaovana tamin-dry zareo. Raha ny tamin’ny telo volana, oktobra-novambra-desambra, ohatra: 65 000 Ar no vola azon-dry zareo. Koa tsy mampahavitrika azy ireo intsony ny hanohy ny asa, raha izay tambiny azon-dry zareo izay.” Io no […]
Other News
Lalàm-pifidianana: mitaky fanovana hatrany ny RMDM
“Takintsika hatrany ny fanovana sy fanatsarana ny lalàm-pifidianana”, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), Ravalomanana Marc, tamin’ ny kabary fidirana politika teny Faravohitra, omaly. Tena tsy hanaiky lembenana intsony ry zareo amin’ireo rafitra sy mpikamban amin’ny fikirakirana fifidianana. Efa nitaky ny hisian’ny fiaraha-midinika eo amin’ny […]
Ceni momba ny fanatanterahana fifidianana : « Manan-jo hahazo tantsoroka avy any ivelany isika »
Misy ihany ve vola hanatanterahana fifidianana? Tsy iandrasana ny any ivelany… Na izany aza, manan-jo hahazo tantsoroka avy any ivelany i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni. “Raharahantsika Malagasy ny fifidianana, ka isika no mandray an-tanana azy. Ny avy any ampita, araka izay maha mpiara-miombon’antoka azy izay: fanaovana tantsoroka […]
Raharaha Anja: hiakatra fampanoavana anio ireo mpampiasa azy
Hiatrika ireo mpitsara mpanao famotorana ao Miarinarivo androany ireo olona telo voasaringotra tamin’ity raharaha ity.Isan’izany ireo mpivady nampiasa azy sy ny mpamily nitondra ilay vata-mangatsiaka. Vesatra hanenjehana an’ireto mpivady nampiasa azy ny fampiasana ankizy tsy ampy taona raha toa ka tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mitondra razana kosa ny an’ilay mpamily. […]
Tsy ho rebireben’ny mpandrabiraby
Efa niparitaka any anaty fitaovan-tserasera samihafa, any anatin’ny departemanta isan-karazany any fa ho tara ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity volana ity. Efa misy ny antso avo ataon’ny lehibe isan-tsokajiny amin’ny mba hisian’ny fitoniana sy fanajana hatrany ny lamina. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony fa ny hany azo ambara, eo am-pitadiavana […]






