Mafampana ny raharaham-pirenena na eo aza ny fety. Mbola mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrangitana eny amin’ny tambajotran-tserasera ataon’ny herivelona rehetra. Na ny mpanohana an’izatsy , na ny mpiandany amin’izaroa dia samy manovokovoka. Tsy misy fitoniana politika izany, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy mahasakana ny mpankafy sy mpanohana mahafatra-po tsy […]
Other News
Mpangalatra niady: noesorina voamaso, notapahina filahiany
Samy any an-tampony samy reraka ! tsy nifanaraka teo am-pizarana ny remby ireto mpangalatra vary. Vokany, noesorin’ny namany ny voamaso sy ny filahian’ny iray tamin’izy ireo. Samy nangala-bary, nifandramatra ary nifamono ho faty ny andiana malaso, tao amin’ny fokontany Maherinteny, kaominina Efatsy, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Vao mangirandratsy handeha hanara-maso ny […]
Ambohimitsimbina : jiolahy nahatrarana basy sy bala roa
Nisento tokana indray ny mponina teny Ambohimitsimbina taorian’ny fahatraran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ireo jiolahy raindahiny, omaly atoandro. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana teny Ambohimitsimbina sy ny manodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Malaza ratsy amin’ny halatra miharo herisetra sady mampiasa fitaovam-piadiana. Manoloana […]
Vao herinandro niasana : lehilahy iray tratra nivarotra « cocaïne »
Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny 67ha afakomaly. Ny talata maraina teo, nahazo loharanom-baovao mahakasika ity lehilahy 30 taona ity ny polisy miasa eny an-toerana. Nisokatra ny fanadihadiana sady nanamarina izany ny mpitandro filaminana. Fantatra nandritra izay ny toeram-pivarotan’ity lehilahy ity zava-mahadomelina . […]
Miandrivazo : ramatoa iray maty tao anaty taksiborosy
Ramatoa iray mpandeha tamina taksiborosy, mampitohy ny renivohitra sy Morondava no tra-doza, omaly. Tsy nahatsiaro tena tampoka izy tokony ho tamin’ny 07 ora maraina, teo amin’ny 20 km tsy hidirana an’i Miandrivazo. Noentina haingana nihazo ny hopitaly tao an-toerana ilay ramatoa. Indrisy nefa fa tsy tana intsony ny ainy. Fantatra […]






