Fokontany 11 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana momba ny tontolo iainana maitso nampanaovin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy, naroso tamin’ny 9 aogositra 2022. Nampahafantarina ny valin’izany fifaninanana izany. Tanjona ny hikajiana ny fahadiovan’ny faritra, ka ny fambolen-kazo miisa 250 nozaraina tamin’ ireo fokontany 11, niampy ny […]
Other News
Tataon-ketra: tezitra amin’ny depiote ny mpandraharaha
Niaka-peo ny ankamaroan’ireo mpandraharaha vaventy, ny mpanangom-bokatra ary hatramin’ny tantsaha madinika mpikirakira ny fihariana jirofo sy kanelina. Fototr’io fahatezeran’izy ireo io ny nandanian’ny solombavambahoaka, tsy nisy fitsipahana, ny fampitataovana indray ny hetra hampidirina amin’ny fihariana fanondranana vokatra jirofo sy kanelina. Handoavan-ketra 3% ho an’ny mpandraharaha hanondrana vokatra any ivelany, raha […]
Fambolem-bary: tsy ampy rano amin’ny ankapobeny ny faritra maro
Manerana ny Nosy, saika mihinam-bary daholo ny olona nefa atahorana fa mihena hatrany ny tsy fahampiam-bokatra eto an-toerana. Miteraka sakana amin’ny fampandrosoana izany. Fanadihadiana Atahorana ny mosary amin’ny taona 2023, satria tsy ampy betsaka ny voka-bary amin’ireo voalaza fa tena sompitr’i Madagasikara, Ambatondrazaka sy Marovoay. Voalaza fa 10 % amin’ny […]
Zokiolona sy ny mpianatra ary ny marefo : nisitraka ny hetsika “Zara hafaliana” ny any Mahereza
Notanterahina ny 24 desambra lasa teo ny fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny Noely ho an’ny tao amin’ny kaominina Mahereza. Nikarakara hetsika toy ny fanao isan-taona “Zara hafaliana” ny mpitantana ka miisa 200 mahery ireo zokiolona nozaraina fanampiana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ho fanampiana azy ireo amin’ny fety. Nisitraka vatomamy […]
Robens Group : mpamokatra masomboly sy mpamboly
Miompana amin’ny famokarana masomboly sy zanakazo ny asan’ny Robens Group hatramin’ny taona 1990. Mitarika any amin’ny faharatsian’ny kalitao sy tsy fahampiam-bokatra izay faharatsian’ny masomboly izay. Antoka iray mampahomby ny seha-pamokarana, noho izany, ny fisian’ny zana-kazo, izay efa in-16 izao ny Robens Group sady mpamokatra no mpamboly. Rehefa masomboly, ohatra, fidina […]






