Niorina ny volana desambra 1972. Nitsingerina, omaly, ny faha-50 taonan’ny antoko MFM. Nanao antso fanairana amin’izao tsingerin-taona izao ny mpikambana, Raveloson Constant. Nambarany fa tsy entinkentim-poana ny anarana MFM. “Averintsika amin’ny hasina nametrahan’ny vahoaka azy teto amin’ny tany sy ny firenena ny antokontsika, manomboka izao”‘, hoy izy. Nanteriny fa tena […]
Other News
Antenimierandoholona : Mbola mitaky tambin-karama ny mpiasa
“Manokatra varavarana ho amin’ny fifampiresahana ny filohan’ny Antenimierampirenena. Nandray anay izy ny antoandro teo, ary nampahatsiahivinay azy fa misy ireo minisitera sy andrimpanjakana nandray an’izany tambin-karama izany ankoatra ny karama volana desambra”, hoy ny filohan’ny sendikà Antoky ny sehatry ny asa eto amin’ny Antenimierandoholona (Asa), Razafimaharo Famantanantsoa, teny Anosikely, afakomaly. […]
Firariantsoa ho an’ny taona vaovao: hitafa ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina
Fotoana iray hanaovana jery todika izao faran’ny taona izao ary hanombanana sy hametrahana koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Hiompana amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy hariva, amin’ny 7 ora amin’ireo haino aman-jery rehetra. Tombanana fa hitanisa ny ezaka sy ny dingana vita tao anatin’ny herintaona ny […]
Ceni : “Tsy ny famoahana daty no hibaiko ny antoko”
“Tsy ny famoahan’ny Ceni anio ny vanin’androm-pifidianana no mibaiko ny antoko politika tsirairay avy hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana na sanatria sakana tsy ahazoany miomana amin’izany”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny antoko politika sasany ny hamoahan’ny Ceni ny datin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Na hambara […]
Loza mahatsiravina: olona dimy maty, efatra maratra mafy
Nandrika tanteraka ny ra omaly teo amin’ny 10 km tsy hidirana an’i Manakara tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faha 12 (RN12). Vokany olona miisa dimy indray maty tsy tra-drano. Isan’izany ny pretra nitondra ny fiara, ireo dokotera mpivady avy ao […]






