Other News

Taratry ny kanto

La Teinturerie – Tarika Mbola Talenta Ao anatiny tanteraka! Tao­rian’ ny seho fampahafantarana ny asabotsy teo, hiaka-tsehatra sahady etsy amin’ny La Teintu­rerie Ampasani­malo ry Mbola Talenta sy ny tariny, anio ma­nom­boka amin’ny 8 ora alina. Fotoana hizaran’izy ireo ha­trany ny sanganasany, mozika miaina mifototra amin’ny tendry gitara ravahina zavamaneno malagasy […]

Oniversiten’Antananarivo : Mahaliana ny tanora ny hetsika kolontsaina maroloko

Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fo­toana ihany koa hiraisana sy hi­fanakalozana ho an’ny tsy mi­tovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo […]

Fiainam-piarahamonina : mbola voazanaka i Madagasikara

An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… […]

Kitra – «Orange Pro League» : resin’ny Uscafoot ny ASA Diana

Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny Uscafoot nanoloana ny ASA Diana. Ambin-dalao tsy tontosa, ho an’ny kaonferansy avaratra, izay tafiditra amin’ny andro fahaefatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Oran­ge Pro League”. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tetsy amin’ny kianjan’ Alarobia. Niady […]

Lomano : Niova ho « Word Aquatics » ny FINA

Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny kongresy teo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja lomano, natrehan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Tapaka nandritra ity kongresy ity fa miova ho “Word Aquatics” ny anaran’ny FINA (Fédé­ration Internationale de Na­tation), manomboka amin’ny taom-pikatrohana ho avy. Firenena 175 amin’ireo 185 tonga nanatrika […]