Mandeha ny fampiroboroboana ny niomerika eny anivon’ny fitsarana, hitantanana ny raharaha ady madio. Nankatovina ny 9 desambra teo ny bokin’andraikitra, mirakitra ny fitaovana informatika nomena ny anarana hoe « logiciel » taorian’ny dingana rehetra natao teny amin’ny fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Hisitraka sy hampiasa ity « logiciel » ity ny fitsarana ambaratonga voalohany […]
Other News
Rio Tinto QMM : mifampiraharaha amin’ireo manana olana ara-tany
Ny 12 desambra 2022, nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Rio Tinto QMM niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanjono sy ny mpampanofa fitaovana (usufruitiers). Izany dia tafiditra amin’ny fifanarahana vita sonia, ny 20 mey 2022, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy ny solontenan’ny mpanao fitarainana. Nanaiky ireo mpanjono sy ny hafa hanomboka ny fifampiraharahana. Fanambarana […]
Sainte -Marie : hamafisina ny fiofanana fandraisam-bahiny
Notokanan’ny Vatel Madagascar, any Sainte Marie, ny 10 desambra 2022 teo, ny foibe fanofanana momba ny asa mifandray amin’ny fandraisam-bahiny anatin’ny hotely, mitondra ny anarana «Fanorona» : mpahandro, mpandray vahiny, mpikarakara efitrano, mpandroso sakafo. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, fianarana sy fampiharana . Ny fianarana dia ao amin’ny foibe Cetamada , […]
Tsy nahomby ny fitantanana :«Mitentina 780 miliara Ar ny devizy volamena tsy hita», hoy ny Fitsarana ny kaonty
Voalaza fa voarara ny fanondranana volamena mankany ivelany, nanomboka ny oktobra 2020. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty anefa, misy ny tarehimarika voarain’ny sampana fadintseranana fa naondrana any ivelany, ary misy koa etsy andaniny ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021. Nanao tatitra ny […]
Nosy be Trail : Fahatelo i Fred, mpanao gazety
Nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny “Nosy be Trail”, Razafintsalama Alfred (Fred), mpanao gazety ao amin’ny Aceem Radio, sady mpikambana eo anivon’ny UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar), teo amin’ny sokajy “Veteran 3”. Fifaninanana, natao ny asabotsy lasa teo. Tontosany tao anatin’ny ora 4 sy 39 mn ary 03 s […]






