Noho ny antony fikarakarana, voatery hahemotra amin’ny volana janoary 2023, ny fifanintsanana kaontinantaly, taranja handball “IHF Trophy”, ho an’ny sokajy zandriny U20 lehilahy. Araka izany, ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary ho avy izao, no hanatontosana izany any Kongo Brazzaville. Efa fantatra avokoa mantsy ireo tompondaka isam-paritra. Ginea, ho an’ny […]
Other News
Basikety-“Ligue en fête ” : tratra ny tanjona ho an’Analamanga
Nizotra araka ny tokony ho izy, ny asabotsy sy alahady lasa teo, ny hetsika “ligue en fête”, nokarakarain’ny ligin’ Analamanga, namaranan’izy ireo ny taom-pilalaovana 2022. Fiarahana nifety am-basikety, niarahan’ny fianavakaviamben’ny ligin’ Analamanga ny nanamarihana io roa andro teny Ankatso io, izay nambaran’ny filohany, Andriatsima Hery, fa tratra ny tanjona napetraka. […]
Kitra – «Chan 2023»: hanoman-tena any Tonizia ny Barea de Madagascar
Efa ao anatin’ny fampivondronana, amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. 32 ireo mpilalao miatrika izany. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, eny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion, ny fanomanan-tenan’ny Barea de Madagascar, ho an’ny fiadiana ny ho […]
“Gospel Song competition” : Raikitra ny famaranana…
Hotanterahina ny alahady izao eny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny famaranana fifaninanan-kira “Gospel Song competition”, ho an’ny eny Atsimondrano. Hifaninana amin’izany ireo antoko mpihira miisa valo nisafidy ny hanao Gospel raha hanao ny “Open” kosa ireo antoko mpihira valo hafa. Hifaninanana amin’izany ny hira iray noforonina ary ny iray hira […]
Fiarovana ny tontolo iainana : hamoaka mpikabary ny Club Vintsy Famelona
Mihasimba ny tontolo iainana. Mila sahy sy mahay mandaha-teny ary maharesy lahatra ny fanarenana sy fiarovana ireo sisa tsy rava. Mila asandratra sy omen-danja sy hasina ny kolontsaina malagasy. Ireo mitambatra no anisan’ny nanosika ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hivoy sy […]






