Other News

Misaona ny zavakanto malagasy: nodimandry i Abel Andriarimalala

Lavo ny andrarezina ! Sehatry ny kanto maro no niriariavan’ny sanganasan’i Abel Andriarimalala. Tsy hikorisa intsony ny penina. Tsy ho heno mivantana sy tsy ho hita eny an-tsehatra intsony, izany rehetra izany. Araka ny vaovao nampitain’ny Havatsa-Upem, nodimandry, omaly 12 deambra 2022, teo amin’ny faha-83 taonany, tao Frantsa i Abel Andriarimalala. Toeram-pianarana, […]

Kitra vehivavy : misongadina i Vakinankaratra

Niavaka ny ekipan’ny AC Sab-Nam Antsirabe, amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny 9 – 17 desambra. Raha tsiahivina ny vokatra, fandresena indroa no efa azony ka anisan’izany ny nandreseny ny AJSAI Matsiatra Ambony, tamin’ny isa […]

Rallye Bosch CT Motors : Voalohany i Fred sy i Mick

Norombahin’i Fred sy i Mick, mpanamorin’ny klioba Asacm ny voalohany tamin’ny “Rallye Bosch CT Motors”. Dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tontosan’izy mirahalahy, tao anatin’ny ora 2 sy 08 mn ary 42,2 s ny dingana manokana “ES” miisa 12, notanterahina tamin’ity […]

Rugby : tsara sedra tamin’i La Réunion ny Makis

Nisaraka ady sahala, 40 no ho 40 tamin’ny ekipan’i La Réunion ny Makis de Mada­gascar, nandritra ny lalao sedra. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Makis Ando­ha­tapenaka. Saika ireo mpilalao zandriny U20 no nidona tamin’ireo renione, tamin’izany. Tsara sedra ireo zandrikely izay efa manomboka mametraka ny fahaiza-manaony. […]

Federasion’ny tenisy : hampivondrona ireo teknisianina

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tenisy, natao tany Antsirabe, ny 5-11 desambra, nisy ny fivoriambe ara-potoana, notarihan’i Naina Zan­dina, filohan’ny Federasiona (FMT) sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra miisa enina dia Ana­la­manga, Antsinanana, Matsia­tra Ambony, Boeny, Vakinan­karatra, Atsimo Andrefana, natrehin’ireo kaomisiona teknikam-paritra (CTR) sy ny solontenan’ny ministeran’ny […]