Other News

Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina

Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny […]

Fandaharanasa: produir Nijery ifotony ny asa ny Banky Iraisam-pirenena

Anisan’ny notsidihin-dRtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, misahana ny ilany andrefana sy atsimon’Afrika, ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Isan’izany ny Fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir). Notsidihin-dRtoa Victo­ria Kwakwa, ny asa fanarenana ny fefilo­han’Ikopa sy Sisaony, ny 5 desambra teo. Mizara […]

Tenisy – Mada 2022 : manjaka i Vakinankaratra

Nitohy omaly talata, tao amin’ny kianja Acmil An­tsirabe, ny fiadiana ny ho tom­pondakan’i Madagasi­kara, taranja tenisy. Raha ny vokatra, saika nandresy avokoa ireo mpilalao avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, mpam­piantrano, eo amin’ny sokajy “veterans”, izay na­ha­zoan’izy ireo fandresena miisa 4. Anisan’izany, i Mam­pianina, nandavo an’i Eric avy any Antsinanana, tamin’ny seta […]

Basikety-Africa Cup 3×3 : nahazo fankasitrahana ny Ankoay lahy sy vavy

Tompondakan’i Afrika, ta­ranja basikety 3×3, ny Ankoay lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny Ankoay vehivavy. Vokatra tsara misongadina amin’ny tantaram-pirenena sy ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fe­derasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel, tetsy Mahamasina. Mpilalao lehibe teo anivon’ny FMBB avokoa izy 8 mianadahy ireto izao nahazo […]

Karate – “Afrika 2022” : Samy miziriziry i Emile sy i Solofo

Niara-nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasiona malagasy taranja karate mi­isa roa, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, omaly. Samy nitondra ny fanazavana mahakasika ny zava-nitranga tany Durban ny andaniny sy ankilany. Nanamafy Ratefinanahary Emile fa izy no efa neken’ny UFAK sy ny WKF ho filoha mpitantana ny federasion’ny karate-do […]