Other News

Antananarivo: tsy misy fiantohana ny ankamaroan’ny trano fonenana

Tsy mbola tena ao anatin’ny kolontsaina malagasy sady hatramin’izao tsy teren’ny lalàna ny hananana fiantohana momba ny trano, indrindra ny trano hipetrahana. Mitondra fanazavana momba izany fiantohana trano trano izany Atoa Napoke Christian, ao amin’ny Trano fiantohana Aro. Manana traikefa manokana ny fiantohana trano an’ny sarambabem-bahoaka na trano lehibe indostrialy […]

Jirama: tafaverina ny herinaratra hatrany Soavinandriana

Tafapetraka teny Alakami­sy Fenoarivo, ny alahady 4 desambra teo, ilay vata mpanova herinaratra lehibe “trans­formateur SWER”. Taorian’ ny andrana teknika, niverina tamin’ny laoniny ny herinaratra, miainga eo Alakamisy Fenoarivo, mamatsy ny tanàna manamorona ny lalam-pirenena voalohany RN 1 hatrany Soavinandriana Itasy. Misy ampahany tsy mbola miverina kosa ny herinjiro, ny […]

Tantara fihaino …: hanatanteraka « Pao-tsatroka » ny VMT

Mitohy hatrany ny fanandratana ny literatiora mala­gasy, Hanatanteraka hetsika «Pao-tsatroka» ny V.M.T Vondrona mpiangaly ny tantra, ny 09 desambra 2022 ho avy izao, manomboka amin’ny 02 ora ao amin’ny Tra­nom­bokim-pirenena Anosy. He­tsika natokana hanandratana ireo olobe mpilalao, na mpanoratra na mpanatontosa tantara izany. Amin’ity indray mitoraka ity dia Ra­minosoa Jacques […]