Other News

Tselatra

Nitrangana fangalarana niteraka famoizan’aina olona tao Ambalamanasy Toamasina, omaly. Maty tampoka ny mpangalatr’omby iray niditra tao anaty vala. Nodoran’ny herinaratra tamin’ny tsy nampoiziný ity lehilahy voatondro ho jiolahy ity. Vokany, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity. Nanantontosa fanazaran-tena mifandraika amin’ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa ny zandary […]

Ambatondrazaka : raim-pianakaviana nitambotsotra tampoka

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nitsirara tampoka tao Tanambao Am­batondrazaka, afakomaly. Nisy nahita nitambotsotra tampoka teo amin’ny lalana manamorona an’i Tanambao ity lehilahy ity, ny alatsinainy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana, araka iza­ny, ireo olona manodidina. Nanao izay ho afany […]

Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina

Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]

Niala olona niampita tampoka: kamiao nitondra letisia nivadika tany an-kady

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Anjiro Vavatenina, teny amin’ny lalam-pirenena faha-22, oma­ly vao maraina. Hitondra letisia haondrana, nikasa hihazo an’i Toamasina ity kamiao tra-doza ity. Niakatra fiakarana, nivadika tampoka tany an­atin’ny kirihitra ity kamiao ity. Araka ny nambaran’ny mpamily, niala olona niampita arabe tampoka izy ka tsy voatana intsony ny familiana […]

Asan-jiolahy: lehilahy maty voavely “bois rond”, iray hafa naratra mafy

Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo. Mitady hahazo vahana ny tsy fandri­­am-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka […]