Other News

Fandoavam-bola « en ligne » : fiaraha-miasa Visa sy Orange Money

Miara-dalana izao ny Visa sy ny Orange Money Madagascar amin’ny fandoavam-bola « en ligne » na aiza na aiza maneran-tany.Visa, izay lohany amin’ny fampiasana nomerika maneran-tany mitambatra amin’ny Orange Money eto Madagasikara manome vahaolana 100 % amin’ny fandoavam-bola « en ligne ». Hampiavaka ny toekarena malagasy ny fananana karatra, ary voaro ny vola noho ny […]

Tsy ampy ny orana: ahina ho ratsy ny kalitaon’ny letisia, hoy ny mpandraharaha

Nihaona tamin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgar teto Toamasina ireo mpandraharaha vaventy amin’ny fihariana letisia. Fantatra fa hisokatra amin’ny talata 22 novambra ny fotoam-piotazana any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa nanomboka ny 14 novambra teo ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an’ireo hanangona letisia […]

Famonoana an-dRakotoarisoa Henri: asa an-terivozona mandrapahafaty ho an’ny olona 8, migadra 3 taona ny roa

Anisan’ny didy mafy sy mavesatra indrindra ho an’ireo meloka namono olona niaro ny tontolo iainana, no nivoaka tany amin’ny fitsarana Ambatolampy, omaly. Tsy hionona amin’izany ny fikambanana fiarahamonim-pirenena nanampy ny mpitory, ny AVG, fa mbola hitady ireo atidoha mpaniraka. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri, mpitolona ara-tontolo […]

Fi.Mpi.Ma 59 taona: dinihina anio ny tetikasa 2023

Marihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa, ao anatin’ny herinandro ny faha-59 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Nanomboka ny 16 novambra, fandaharam-potoana maro no notanterahina. Ny anio kosa, hiroso amin’ny fanapahana ireo tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2023, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Hanomboka amin’ny […]

Hiverina hisokatra…: mpanakanto 10 vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery

Nampahafatarina teny Ampasanimalo, omaly, fa hisy mpanakanto folo vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery amin’ilay tetikasa Vina. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano fampiratina amin’ny 24 novambra, ary maimaim-poana ny fidirana.   Taorian’ny telo taona nikatonan’ny Isart Gallery noho ny Covid-19, miverina misokatra indray ny trano fampirantiana. Nampahafantarin-dRakotoarivony Tahina, talen’ny Isart Gallery, teny […]