Naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo telo lahy, mpanendaka eny ambony Bajaj ao Mahajanga. Miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj izy ireo. Mandray zotra tahaka ny mpandeha rehetra, manendaka poketra sy findain’olona, avy eo mandositra. Miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, tamin’ity volana ity. Nafindra […]
Other News
Handeha hody : Lehilahy 32 taona maty lasan’ny rano
Nahitana lehilahy iray, 32 taona, maty an-drano tany amin’ny ranon’ny Sakay Andolofotsy, ny alatsinainy 26 janoary, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina lasa teo. Niampita izy sy ny olona iray hafa tamin’io fotoana io. Avy eny Andolofotsy, hihazo an’Alakamisy izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Niakatra anefa ny rano teo […]
Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy
Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo. Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vonelina, kaominina Fiombonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina […]






