Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebaoty indray ry zareo USA (Ankady). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14. Niady hatramin’ny “gong” farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny filazan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka, hatomboka ny 21 desambra ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League » (PFL). Marihina fa tsy mbola fantatra izay ho mpifanandrina amin’izany eo amin’io kianja io. Nilatsaka eo amin’ny […]
Judo-“Open d’Afrique Abidjan”: Nandrombaka medaly volafotsy i Zo
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “Open d’Afrique Abidjan”, taranja Judo. Nanana solontena tamin’izany i Madagasikara ary tsy nitsanga-menatra. Andriambololona Zo Hajanirina, izay nifaninana teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 78 kg, no niaro ny voninahi-pirenena ka nandrombaka ny medaly volafotsy. Vao tany am-panombohan’ny fifaninanana […]
Baolina kitra: Ho avy hanavao ny sata mifehy ny Federasionina ny Fifa
Ho tonga eto an-tanindrazana, amin’io volana janoary io, ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra (Fifa), i Gianni Infantino. Hanavao ny sata mifehy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra ny anton-diany amin’izany. “Fanavaozana”! Nampafantarina omaly, tetsy Isoraka, fa raha tsy misy ny fiovana, ho avy eto Madagasikara i Gianni Infantino, […]
Fisandohana sy fisolokiana: Pasitera iray voaheloka higadra 5 taona
Niakatra tetsy amin’ny Fitsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, ny alatsinainy 24 novambra teo, ny antotan-taratasin’ady lah. 83-Toa/25. Hanenjehan’ny fitsarana an-dRamilison Jean Emile, pasitera amin’ny fiangonana zandriny iray ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Toamasina izy ity. Anisan’ny loham-piampangana azy ny fihazonana olona an-keriny (séquestration de personne) sy fisandohana […]






