Fanamby imasoan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mifototra amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fitantanana mirindra sy mangarahara ary indrindra ny hisian’ny tamberin’andraikitra hisitrahan’ny vahoaka, ny mpandraharaha ary ny fanjakana, tombontsoa. Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tokony any Toliara, tao amin’ny Lapan’ny faritra, ny minisitry ny […]
Other News
Fifandraisan-davitra : Hihena ny saran’ny internet
Tapitra ny disadisa. Hidina manomboka amin’ity herinandro ity ny saran’ny internet eto Madagasikara, araka ny fifanarahana nataon’ny minisitera tompon’andraikitra tamin’ireo mpandraharaha efatra. Nahita vahaolana marimaritra iraisana ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny orinasam-pifandraisan-davitra efatra. “Hifaninanan’ izy ireo, araka izany, ny saran’ny […]
Toekarena : Mpiara-miombon’antoka ny Bad sy ny FMI
Vonona hanohana ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena hatrany ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nohamafisin’ny solontena maharitry ny Bad, Adam Amoumoun, tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, izany ny zoma teo, tetsy Antaninarenina. Nilaza izy fa manohana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy izy ireo. Ao […]
FANTINA sy FINTINA
Hirosoana ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao amin’ny Radio France internationale (RFI), omaly. Alohan’ny faran’ny taona no heverina hanatanterahana izany. Hatramin’ny nanesorana azy, tamin’ny 12 oktobra lasa teo, tombanana ho any Dubai izy amin’izao. Na izany aza, misy […]
Depiote Raby Savatsarah : “Ny fikaonandoham-pirenena no hanafoana na tsia ny Fitsarana avo”
Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tamin’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny lalàmpanorenana. “Ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny […]






