Other News

Tra-tehaka teny Andoharanofotsy : Jiolahy 11 nahatrarana fiara sy zava-mahadomelina

Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny 15 desambra ho avy izao ny fitaterana an-dalamby, « Train urbain ». Tsy hihoatra ny 3 000 Ar ny saran-dalana, mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Tetikasa toha­nan’ny Banky iraisam-pirenena. Notsorin’ny minisitry ny Fitaterana, Raharisone Juste, fa finiavana politika no tsy natao, anisan’ny antony tsy nanokafana an’ity zotra ity hatramin’izay. Maherin’ny […]

Fampiroboroboana ny niomerika: Hanome sehatra ny vehivavy ny Maison digitale 

Mbola sakana lehibe ho an’ny vehivavy maro ao Toliara ny fidirana amin’ny sehatra niomerika, indrindra fa eny amin’ny fokontany tena sahirana. Antony nahatonga ny Orange solidarité Madagascar, tohanan’ny Fon­dation Orange, nanao ny fandaharanasa « Maisons digitales pour les femmes » any an-toerana izany, hanohanana ny se­hatrasa sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Tanjona ny […]

Fampandrosoana : Mahasarika tanora ny fambolena sy fiompiana

Mbola mahaliana ny ankamaroan’ny tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona ny sehatrasa momba ny fambolena sy fiompiana, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Office national de l’emploi et de la formation (Onef). Nivoitra tao anatin’ izany fa nisafidy ny seha-pihariana voalohany avokoa ny 17,9% amin’ireo tanora 307 nanontaniana. […]