Other News

FANTINA sy FINTINA

Vonona handray anjara amin’ny dingana hahatongavana amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny fikambanana Silamo sy ny “Comité nationale de concertation citoyenne des Musulmans ». Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repo­blika misahana ny fanavaozana, Razafimanan­tsoa Hanitra, izy ireo, omaly. Mangataka ny Pr Rabesa Zafera Antoine hatao lehiben’ny faritra Boeny ireo tangalamena sakalava. […]

Fikaonandoham-pirenena : Samy maka bahana ny Tim, ny Irmar, ny MMM…

Am-periny tanteraka amin’ ny hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ ny FFKM, ireo antoko politika sasany amin’izao fotoana izao. Ho an’ny eo anivon’ny Irmar, efa nanolotra ny sori-dalana tamin’ny iraky ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA) fa­rany teo izy ireo mba hoentina amin’ny fihaonambem-pire­nena. Efa an-dalam-pamolavolana ny tondrozotra koa ny […]

Miara-miova… hanova

  Saika foto-dresaka amin’izao ny hoe fanovana? Raha vao trangan-javatra tsy araka izay iheverana azy: izany ve ny hoe fanovana? Manara-maso ny olona, sarotiny, tsy manaiky lembenana… Amin’izany, ambenti-teny ny hoe fanovana toe-tsaina. Mby aiza? Eo indrindra izao… Ny zava-misy iainana ve no manova ny toe-tsaina sa ny toe-tsaina no […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Miainga any amin’ny Faritra ny fanavaozana”

Sambasamba… Nidina ifotony voalohany tany amin’ny faritra ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. “Antenaintsika fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandroso­ana. Ny tena anton-dianay aty, mampiseho ny fihainoana anareo vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavao­zana, ny kolonely Randriani­rina […]

TSELATRA

Raharaha fanapoizinana ara-tsakafo niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. « Mbola maro ny olona tokony hohenoina sy hanaovana fanadihadiana », hoy ny minisitry ny fitsarana, Fanirisoa Erinaivo. Mbola ao anatin’ny fihainoana ireo mbola velona rehetra izay nahita ny zava-nitranga ny mpanao famotorana. Anisan’izany ireo papasaosy voatonona tamin’iny raharaha iny. Fiara […]