Other News

Muay Thai Tournament 3 : Hifandona i Sandra sy i Katy

Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg […]

Fifanintsanana Mondial 2026: Nandresy an’i Comores, 2 no ho 1, i Madagasikara

Tsara ny vokatra tany Côte d’Ivoire, omaly, ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Coalacanthes Comores, nandritra ny andro fahasivy tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany 2026. “Fandresena iray izay!”. Nahazo isa telo ny Barea. Lavon’ny eki­pa nasionaly malagasy, ta­min’ny isa 2 no […]

Mgr Andriantsoavina Jean Pascal: « Mijoroa ary sahia miteny ry tanora »

Maromaro ireo mpitondra fivavahana naneho hevitra. Anisan’izany koa ny Evekan’ Antsirabe, ny Mgr Andrian­tsoavina Jean Pascal. Tsotra sady fohy ny hafany. «Mijoroa ary sahia miteny ny tsy mety, indrindra ianareo tanora. Mandraisa andraikitra amin’ny zavatra tsara», hoy izy. Nam­barany fa tsy tokony hanambany ny hafa izany na inona fahaizana, anton’asa, […]

Fikaroham-bahaolana: Efa raikitra ny fakan-kevitry ny FFKM

Misoko mangina, tsy re tsaika. Tsy an-kiandriandry fa efa ao anatin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny FFKM. Nanomboka ny fiando­han’ity herinandro ity ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana fa maromaro ireo efa norai­sin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy […]

Fametrahana fitoniana: Niantso famotsoran-keloka ny filohan’ny Ceni

Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany tamin’izany fa mbola manamafy ny antso efa nataony tany aloha ny tenany, ny amin’ny hanomezana famotsoran-keloka ho an’ireo olom-boafidy sy olon-tsotra voarohirohy tsy fidiny amin’ny raharaham-pitsarana. Ani­san’izany […]