Eo amin’ny fitantanam-panjakana, tsy tongatonga ho azy ny hoe governemanta iraisana na fiahara-mitantana. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny tsy fananana maro an’isa eny anivon’ny parlemanta. Eo koa ny fisian’ny ady na krizy politika na toekarena na sosialy. Izay tsara ho fantatra… Mifanohitra amin’ny governemanta mitovy fisainana avy amin’ny fironana iray ny […]
Other News
TARATRY ny KANTO
« Hiara-hihira ». Tafahaona any France i Manoa, Ralisimanitra, Niry ary Rolly. Mpinamana efa ela tao anaty mozika izy ireo, fantatra tany anatin’ny fampandihizana sy ny fanafanana lanonana isan-karazany. Hiaraka an-tsehatra indray ny 8 novambra izao, satria mandalo any France koa i Rolly amin’izao fotoana. Mandrafitra ny tarika Gasy Band izy, ary […]
« Our Generation » any Russie: Rahampitso zoma ny fifidianana ho an’ny rehetra
Raharaham-pirenena koa itony… Hiatrika ny famaranana lehibe ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena « Our Generation » hatao any Russie, ny solontena malagasy. Efa vonona tanteraka i Michella, Brenda ary i Riantsoa hiatrika ny seho famaranana, izay hatao ny sabotsy 11 oktobra izao. Mialoha izay anefa, mila ny fanohanan’ireo Malagasy rehetra maneran-tany izy ireo. Hisy […]
Tarika Rossy: Nodimandry i Meltine
« Lasa i Meltine. Misaona ny tarika Rossy…Mandria am-piadana Ra-Mely a ». Fanambaran’i Rossy tao amin’ny pejiny Facebook, halina io. Raho-mainty ho an’ny tarika sy ho an’ny fianakaviamben’ny zavakanto eto Madagasikara mihitsy ny fahalasanan’i Meltine. Iray tamin’ireo zana-dRamilison Besigara Fenoarivo izy, ary nilomano tao anatin’ny zavakanto malagasy nandritra ny fiainany iray manontolo. […]
Fiainam-piarahamonina : Samy very fanahy ny rehetra
Nanana fahalalana lehibe momba ny fiainany ny Malagasy. Nifaka tamin’ny lamina voajanahary izy ireny ka zary fiainana andavanandro. Ny vatana nomen’ny ray aman-dreny anarana fa ny fanahy kosa niaraha-nanana. «Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy raha nilaza sy naneho fa misy sakana tsy ahafahana manoatra […]







