Dahalo telo lahy nikasa hanafika mpandraharaha maty voatifitry ny zandary, omaly, tany Ambato Boeny. Nifanandrina tamin’ny zandary izy ireo ka izao lavo izao. Teny an-dalana avy any Andranofasika hihazo an’Ambato Boeny (lalam-pirenena faha-33bis) ireo olon-dratsy ireo ny alin’ny alatsinainy, tamin’ny 11 ora. Nanao vela-pandrika ny zandary ka nahatrarana azy ireo. […]
Other News
Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita
Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly maraina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pavois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo razana hita ireo. Marihina fa […]
Fanamafisana ny filaminana : Nametraka paikady ny OMC nasionaly
Nivory miaraka ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana sy ny lafintany, eo anivon’ny OMC nasionaly, afakomaly alina. Niompana tamin’ny filaminana amin’ny ankapobeny ny dinika ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany. Anisan’ny nifanakalozan’ ireo tomponandraikitra ny fanamafisana ny filaminana […]
Volley-Amboaran’i Madagasikara : Nifampizaran’ny ekipa efatra ny fandresena
Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona sy ny diviziona faharoa (D2), lahy sy vavy. Nifampizarana tanteraka ny amboara tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U20 sy D2 lahy sy vavy ity, raha jerena […]
SOMBIM-BAOVAO
Nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny lalan-dRakotomaharo Fy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Échecs, tanterahina any Inde, nanomboka ny 31 oktobra lasa teo. Afapo izy na dia io aza ny vokatra, raha ny nambarany. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Doha, ny 25 hatramin’ny 31 desambra, indray […]






