Other News

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitsambikina avy eny ambony pylone, teny amin’ny kaominina Ala­kamisy Fenoarivo, afakomaly. Nanao fanahiniana namono tena izy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Niezaka novonjena teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Notanana vonjimaika any am-ponja ilay miaramila voarohirohy ho nanolan-jazavavy 12 taona tao Arivonimamo, afakomaly. […]

Zava-mahadomelina : telo lahy nahatrarana rongony roa gony

Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny telo lahy nitondra rongony roa gony tao amin’ny fokontany Tsimavaokely, kaominina Morondava, ny 13 aogositra teo. Nentina tao anatina Tuc tuc, nosakanan’ny polisy ny lehilahy iray niaraka tamin’ny mpamily. Nahitana gony miisa roa tao anatin’io fitaovam-pitaterana io. Nitsoaka avy hatrany anefa […]

Efa nahazo volabe : notanana am-ponja ilay mpisoloky

Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy iray nisoloky vola an-tapitrisany, afakomaly. Nisandoka ho olom-panjakana, nanambaka olona maro tamin’ny alalan’ny kaonty facebook, ity lehilahy ity. Tsy vitan’io, nisy tamin’­ireo lasibatra nalainy baraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo. Nahazo vola maherin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’io asa ratsiny io izy. Rahonany ireo voasoloky […]

Namono nahafaty ny vadiny : teratany vahiny naiditra eny Tsiafahy

Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny teratany vahiny iray, afakomaly. Notsatohany antsy ny vadiny tao Anjomakely. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray ahina ho namono nahafaty ny vadiny tao Anjomakely, kaominina Bongatsara, ny 10 aogositra teo tamin’ny 10 ora alina. Nitabataba sy nanakorontana ny mpiara-monina io […]