Nodimandry i Clément, mpikambana ao amin’ny tarika Fandrama. Mahay an’i Clément Manifatra Jean avokoa ireo mpanakanto, ary samy naneho ny alahelony raha naheno ny fahafatesany, omaly. Any Nosy Be ny razana, hoy i Fandrama. Mpihira aman-taonany tao aminy ity mpanakanto nodimandry ity, ary efa nitety an’i Madagasikara sy firenena maro. […]
Other News
Horonantsary «Debout! »: Nisongadina tamina « festivals » telo tany Londres
Niampy iray indray! Nisongadina nandritra ny « Wine Dark Short Film Festival London » ilay horonantsary « Débout! » an’i Felana Rajaonarivelo. Nahazo ny « Honorable Mention » niampy ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara ity horonantsary malagasy ity, tao amin’ny « Categorie Best Disability Narrative ». Fanintelony izao no nisongadina tamina « festival » tany […]
“Our Generation” any Russie: Vonona i Michella, niara-dalana aminy i Brenda sy Riantsoa
Efa azon’i Madagasikara ny laharana voalohany tamin’ny taona 2024. Mbola mahabe fanantenana koa ny delegasionina malagasy lasa niatrika ny fifaninanan-kira “Our Generation 2025” any Russie. Efa any Russie i Michella. Izy no nahazo voalohany tamin’ilay fifaninanana “Our Generation” teto Madagasikara. Niara-dia aminy any koa i Brenda sy Riantsoa, araka ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mikatona ny fotoam-panjonoana any Atsimo Atsinanana, manomboka ny 15 oktobra ho avy izao hatramin’ny 15 novambra 2025. Voarara tanteraka, mandritra io fe-potoana io, ny fanjonoana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fanondranana any ivelany ao amin’ny Faritra. Omena fe-potoana hatramin’ny 14 oktobra ny mpanangom-bokatra, ny orinasa, ny mpivarotra hazandrano, hanambara ny […]
Moustapha Abdulah Marson: Tombanana ho 187 miliara Ariary ny fatiantoka
Manoloana ny zava-misy ankehitriny, naneho ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera i Moustapha Marson Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, omaly. Araka ny nambarany, tombanana ho 187 miliara Ariary ny fatiantoka hita amin’ity krizy mandalo eto amin’ny firenena ity. Araka ny nambarany, fahavoazana lehibe ho an’ny toekarena malagasy […]






