Other News

Lalao Olympika: resin’i Katie Jemima i Laura teo amin’ny taranja judo

Nifarana teo amin’ny dingana 1/16 ny lalan-dRasoanaivo Laura, ho an’ny taranja judo amin’ny lalao Olympika, tanterahina any France. Resin’ilay anglisy, i Katie Jemima, ny tovovavy. Raha nandrandrain’ny Malagasy an-tapitrisany ho lasa lavitra ilay mpanao judo, Rasoanaivo Laura, eo amin’ny lalao Olympika, atao any Paris France, tsy izay no zava-nisy fa […]

Tetikasa Ourson : hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo

Fotodrafitrasa hahazoana angovo avy amin’ny masoandro mirefy 88 000 m2 no anda­lam-panatanterahana ao amin’ny faritra indostrialin’ny vondrona Filatex eto Antana­na­rivo, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo. Mamokatra herinaratra 11 megawatt izy ireo ary mbola azo haitatra hatramin’ny 14 megawatt. « Ity tetikasa Ourson ity dia hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo ary […]

Diplaomasia : mametraka ny maha izy azy eto Afrika i Madagasikara

Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”. Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, na­nomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Re­poblikan’i Angola, João Manuel […]

HCDDED tany Toamasina: “Ilaina ny demokrasia sahaza ny Malagasy”

Nanatanteraka valandresaka tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ny herinandro teo. Niompanan’ny lohahevitra sy nanentana ny mpianatra ny asa sy ny andraikitr’ity rafitra iray ity. Namintinan’ny filoha lefitry ny HCDDED, i James Ramaroson, izany ny […]

Fikarakarana fifidianana: nankasitrahan’ny Pnud ny ezaky ny Ceni

Nandray ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana (Pnud), i Natasha Van Rijin, ny avy eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Nambarany tamin’izany fa afapo tamin’ny ezaka nataon’ ity rafitra ity izy ireo. Anisan’ izany ny nanatanterahana ny fifidianana mangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara ta­min’ireo zotram-pifidianana nifanesy. Nohamafisiny ny fitohizam-piaraha-miasa hahamafy orina hatrany […]