Other News

TSELATRA

Norobain’ny jiolahy tanaty lalan-dratsy ny kamiao lehibe iray tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, Port Berger-Antsohihy, afakomaly. Nisy fiara tsy nety nisongona tao aoriany tamin’izany. Norovitin’izy ireo ny labasin’ny fiara, betsaka ny entana lafovidy very nandritra izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Nigadona teto Madagasikara, omaly, ny vatana mangatsiakan’ny tovovavy iray, […]

Folo lahy nanafika: Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana

Namoy ny ainy vokatry ny hataraina tampoka, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony, ny raim-pianakaviana iray efa taizan’aretina tao Manga­rano II, parcelle 11/47, Toa­ma­sina, omaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ao amin’io fokontany io, ny jiolahy miisa telo tsy nisy nisaron-tava, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. « Miisa […]

Andoharanofotsy : Mpamaky fiara voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy mpamaky fiara ao Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. Nitsaitsaika nandroba ny fiara iray io lehilahy io. Novakiany ny jiro lehibe teo aloha ka nanao mora ny nangalany ny “batterie” niampy ny “auto-radio”. Tazan’ny mpiasa amin’ny toeram-pamatsiana solika […]

Andavamamba Anjezika I : Lehilahy hita faty tao anaty rano

Nahitana fatin-dehilahy efa simba tao anatin’ny lakandrano Andriantany, tetsy Andavamamba Anjezika I, omaly. Tsy nisy nahafantarana azy afa-tsy ny akanjo nanaovany sisa. Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny lakandrano Andriantany, fo­kontany Andavamamba Anje­zika I ireo mpaka tsikafona, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy […]