Other News

Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]

Vaovao tambatra

Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]

Afo tany Isalo: olona iray voasambotra

Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety ma­no­didina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana […]