Other News

TSELATRA

Nafindra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Fenohasina, tompom-pety, taorian’ny fiakarany fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly. Nijanona eny amin’ny fonjaben’Antanimora ihany ny reniny. Mitazona ny fitoriana azy ireo hatrany ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona 30 mahery nandritra ny fety teny Ambohimalaza ny fianakavian’ny maty. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpitarika […]

Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy maty voatifitra, tratra ny mpimasiny

Voasambotra tany Saha­valaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsina­nana, ny 27 jolay teo. Niron­gatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny  fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny […]

Hala-jaza teny Ambohimahitsy : Vehivavy roa naiditra eny Antanimora

Niakatra fampanoavana omaly, ireo vehivavy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’i Tanyah kely, ilay hita faty teny Ambohimalaza. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’­Antani­mora, omaly, ny ramatoa miisa roa voasaringotra tamin’ny hala-jaza niharo vono olona teny amin’ny fokontany Ambohitremo, kaominina Ambohimalaza. Niray tendro tamin’ny famolavolana ny teti-dratsy rehetra namonoana an’i […]

« Ma-Hery Futsal » : Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary ny tompondaka

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, sy eny amin’ny Gymnase Mahama­si­na, ny fifaninanana « Ma-Hery Futsal ». Fifanintsanana izay karakarain’ny Fief Mada ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, omaly, tetsy […]