Other News

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipazy Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Herii Possible, nitondra ny fiara Subaru, ny andiany faha-22 amin’ny « Rallye Tour de Tana ». Fihao­nana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. 1 ora 38 mn 49, 3 s ny fe-potoana vitan’izy ireo. Faharoa i Aro Kiady sy i Elvis (Asacm), tara 2 […]

« Allez Hoop Quest 2025 »: Nahavita namondrona mpilalao 400

Nahomby ny hetsika. Ambohipihaonan’ny mpankafy taranja basikety 3×3 ny teny amin’ny Parvis Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nafana ny fifaninanana, nafana toraka izany ihany koa ny seho nandravaka sy ny fanentanana. Voalohany ny fikarakaran’ny RDJ ny « Allez Hoop” teny amoron’arabe sy manoloana ny Lapan’ny tanàna, izay efa fanaon’ireo firenena hafa. […]

Rugby, sokajy vehivavy: Lasa any Londres i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies

Nahazo fanasana manokana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (World Rugby) hanatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Angletera, ny Malagasy Rugby. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby sy i Fenitra, kapitenin’ny Makis Ladies. Nanainga ny alahady alina lasa teo, nihazo an’i Angleterre, ny delegasionina malagasin’ny […]

“Muay Thai Tournament 2” : Nahitana teknika avo lenta ny fifaninanana

Tontosa araka ny tokony ho izy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 2”, nokarakarain’ny klioban’ny Gisl (Grande île sports loisirs). Ady 25 no nitranga ary tena nahitana teknika avo lenta, araka ny nambaran’ny mpikarakara, Maître Razanajatovo Gildas. Nohamafisiny fa hisy fivoarana ny […]