Other News

VAOVAO TAMBATRA

Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifam­pizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy. Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina […]

Sipem Banque : Fihaonana mivantana amin’ny mpanjifa

Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. […]

SADC : Efa mirona any amin’ny indostria i Madagasikara

Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Mada­gasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa tonga any Tanzanie, omaly, tamin’ny efatra maraina ny delegasionina Barea de Madagasikara A’, hiatrika ny Chan any Tanzanie, Ouganda ary Kenya, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Ny atoandro teo ihany moa izy ireo dia efa niatrika ny fanazaran-tena. Tsara ny mampahatsiahy fa i Mauritanie no mpifanandrina voalohany […]

Echecs-« Elo FIDE »: Fahombiazana tanteraka

Fahombiazana ny fifaninanana « Elo Fide », taranja Echecs, notanterahina teny amin’ny Orange Digital Cen­ter, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra 132 ny mpifaninana nandray anjara nandritra izany. Nahitana klioba 19: ny MCG, CCT, KOM, CEA, FRR, CGM, CEJCA, QCM, IKM, Élite Bongolava, Doka Chess, Ankatsuki, La Vallée Chess Club, ACC, Mahats’art, Pion […]