Ekipa afrikanina roa no indray hiditra an-tsehatra, anio, dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Lions de l’Atlas, Maroc, eo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, amin’ity «Mondial 2026 » ity. Fihaonana hiendrika famaranana avokoa ny azy roa tonta ireo. Anisan’ny lalao mahasarika ny mpanara-baovao amin’ity «Mondial 2026» ity ny fihaonana roa hatrehin’ireo solontena afrikanina. […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Sehatra bagasy volana jolay. Hotohizana amin’ny « Atrikefa bagasy horonampeo » ny lalana nizorana hatramin’izay. Ny sabotsy 4 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Atsahavola. Famerenana farany ireo hira hatao « guide piano » sy horaisim-peo hoenti-manatanteraka […]
« Fanilo Voice 2026 »: I Oncle Si no nandrombaka ny loka voalohany
210 ireo mpifaninana tany am-boalohany. Samy niezaka naneho ny talentany izy ireo nandritra ny herinandro maromaro. Tontosa ny alahady teo kosa, teny amin’ny Ilo Hôtel Andakana, ny famaranana ilay fifaninanan-kira « Fanilo Voice 2026 ». Tafavoaka tanatin’ny maro, ka nandrombaka ny loka voalohany, i Oncle Si. Nanaraka azy akaiky, teo amin’ny laharana […]
Raharaham-panjakana: Hofanina hampiasa ny teny malagasy ireo zandary
Hamoraina hifanaraka amin’ny besinimaro ny raharaha rehetra eny anivon’ireo biraom-panjakana. Hampiasana ny teny malagasy manontolo izany, ka hisantatra azy ny zandarimaria. Amin’ny teny malagasy ranoiray ny raharaham-panjakana rehetra. Tanjona io, fa tsy mbola mihatra akory. Na izany aza, efa miroso mankany amin’izay fampiasana ny teny malagasy tsy misy fangarony izay […]
VAOVAO TAMBATRA
Haharitra herinandro ny fikojakojana ny milina DG2 ao amin’ny Afripower Mandroseza. Tara roa taona ny fikojakojana ara-teknika, ka antony hanatanterahana izany amin’izao fotoana. Tanjona ny hiantohana ny fitaovam-pamokarana, indrindra mandritra ny vanim-potoan’ny haintany. Marihina fa mahatratra 40MW ny herinaratra azo avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy ao Mandroseza. Handefa milina mpamokatra […]






