Ekipa afrikanina roa no indray hiditra an-tsehatra, anio, dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Lions de l’Atlas, Maroc, eo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, amin’ity «Mondial 2026 » ity. Fihaonana hiendrika famaranana avokoa ny azy roa tonta ireo.
Anisan’ny lalao mahasarika ny mpanara-baovao amin’ity «Mondial 2026» ity ny fihaonana roa hatrehin’ireo solontena afrikanina. Voalohany, ny fifandonan’ny Lions de l’Atlas, Maroc amin’ny Les Oranjes, Pays-Bas. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Monterrey, ao Guadalupe. Heverin’ny rehetra fa ho toy ny famarananakely mialoha ny fotoana ny an’ny roa tonta.
Raha ny tombana sy ny antontanisa navoakan’ireo manampahaizana sy ny teknisianina, 42 % ny herijika handresen-dry zareo Holandey, raha 28 % ny an’i Maroc. 30 % ho an’ny fanalavam-potoana. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny Lions de l’Atlas, nandritra ny “Mondial” farany. Ekipa heverin’ny rehetra fa ho lasa lavitra amin’ity izy ireo. Marihina fa tsy mbola nisy resy ireo ekipa roa ireo ary samy manana isa 7 nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Fihaonana iray harahin’izao tontolo izao koa ny an’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Norvège. Lalao hatao ao amin’ny Kianja Dallas, ao Arlington.
Raha ny vinavina amin’ity, ambony ny antontanisa manome fandresena ho an’i Norvège, mahatratra hatrany amin’ny 47 %, raha 26 % ho an’Ivoarianina. Tsy misy afa-tsy 27 % kosa ny ady sahala. Fandresena iray sy faharesena iray avy kosa no vokatra azon’ireto firenena roa ireto tao anaty vondrona nisy azy. Tsiahivina fa ekipa afrikanina faharoa, midona amin’i Norvège, i Côte d’Ivoire, amin’ity “Mondial” ity, taorian’ny Lions de la Téranga, Sénégal, tao amin’ny sokajy “I”. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 2 ry zareo senegaley, tamin’izany.
Tompondaka




