Other News

« Zotra Fitaratra »: Hampitohy an’Ankorondrano-Amoronankona ireo fiara vaovao

Ho santarina amin’ny zotra miainga eo Ankorondrano hatreny Amoronankona By Pass ireo fiarabe mpitatitra vaovao. Miisa 22 ny toeram-piantsonana mandroso sy miverina. Hampiasaina ireo fiarabe mpitatitra vao nafarana tonga eto amintsika. Anisan’izany ny fametrahana ny « zotra Fitaratra », miainga eny Ankorondrano mandray ny arabe Marais Masay, mandalo ny Rocade Iarivo, mifarana […]

TSELATRA

Tafakatra 28 ny isan’ny maty tamin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny, 14 jona lasa teo. Mbola misy olona 13 tsaboina ao amin’ny fameloman’aina ao amin’ny HJRA Ampefiloha hatramin’izao. Rangahy iray 60 taona, tratra nanolana ny zana-badiny vao 13 taona monja. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ity farany, taorian’ny fiakarany fitsarana […]

Lonilonim-piarahamonina : Tovolahy nalaina an-keriny sy novonoina

Lasibatry ny fakana an-keriny ny fianakaviana mpandraharaha iray monina eny Iavoloha. Niafara tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo (14 taona) izany. Ny 20 jona lasa teo, nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tany Ambohi­tsara Manakara, 10 km miala an’i Irondro ny fiara nisy ny raim-pianakaviana iray (mpan­draharaha) sy ny zanak’anadahin’ny vadiny. Tsy afa-nandositra […]

Halatra omby: Dahalo iray maty voatifitra

Dahalo iray azo sambo-belona ary iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny miaramila tao amin’ny kaominina Ankililoaky, distrikan’i Toliara II, ny alatsinainy 7 jolay teo. Omby miisa 19 nalain’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ankiliabo, ny alin’io andro io. Dahalo manodidina ny 15 lahy niaraka nanao ny fandrobana. Nanao fanarahan-dia avy […]

Aferam-basy : Telo mianadahy voasambotra tetsy Talatamaty

Tompon’antoka tamin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna ny vehivavy iray tratra teny Talatamaty, ny alahady 6 jolay teo. Roa lahy tratra niaraka tamin’ny basy sy bala. Hiakatra fampanaovana anio ireo olona telo voa­saringotra tamin’ny fivarotam-basy tsy manara-dalàna teny Talatamaty. Telo mianadahy niara-voasambotry ny zandarimaria avy eo ani­von’ny tobim-paritra Talata­maty, ny alahady […]