Other News

Orinasa Star: maherin’ny 1 500 nisitraka ny RSE

Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. […]

Tato anatin’ny enim-bolana voalohany: hita sahady ny fiantraikan’ny fanohanan’ny Base ny mponina

Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina. Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikeli­kely ny lafiny toekarena sy so­sialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. […]

«Salon national des sports»: hisokatra anio, etsy Mahamasina

Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. […]

Tsipy kanetibe – “Masters 2025”: mahaliana ny maro ny ekipa malagasy

Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]

Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha

Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo. Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Ra­zafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny […]