Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina. Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikelikely ny lafiny toekarena sy sosialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. […]
Other News
«Salon national des sports»: hisokatra anio, etsy Mahamasina
Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. […]
Tsipy kanetibe – “Masters 2025”: mahaliana ny maro ny ekipa malagasy
Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]
Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha
Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo. Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Razafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny […]
“Les nuits atypiques”: nisongadina ny tarika Hazolahy
Tsy vaovao amin’ny mozika malagasy ny « Festival Les nuits atypiques ». Hetsika misokatra ho an’ny mozikan’izao tontolo izao, izay mitety tanàna any Sud-Gironde, France. Efa nanomboka ny 4 jona izany, saingy ny 22 jona teo no anjaran’ny mozika malagasy, izay nosoloan’ny tarika Hazolahy tena. Tsy diso mihitsy ny safidin’ny kaomity mpikarakara, […]






