Other News

TSELATRA

Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay. Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny […]

Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g

Vato sarobidy (rubis) mi­lanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bang­kok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]

Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy

Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka ma­hakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]