Other News

Unesco : Tsy tandindomin-doza intsony ny atiala Atsinanana

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny 9 jolay teo, tany Paris, nandritra ny fivoriambe faha-47 ny Kaomity ny vakoka iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco, fa nesorina tsy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny Ala mando Atsinanana. Miisa enina ny Valan­ja­vaboahary mandrafitra ireo ala mando ireo, i Masoala, Marojejy, Andoha­ela, Zahamena, Ranomafana […]

TARATRY ny KANTO

“Kolosary”, sekoly hianarana ny sarimihetsika sy horonantsary eto Madagasikara. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo matihanina amin’ny sarimihetsika, hanatontosana ity tetikasa ity. Handray mpianatra manodidina ny 150 any am-piandohany ny Kolosary ka haharitra 3 taona ny fiofanana isan’andiany. Anisan’ny tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity […]

« Manal’azy vita Bacc »: Hanapoaka an’Antsahamanitra ny Olombelo Ricky

Hatao ny 25 jolay 2025 ho avy izao ao Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana «Manal’azy vita Bacc» ataon’ny Olombelo Ricky. Toerana efa nahazatra ny mpankafy maro nifandimby, nisantarana ity hetsika fanaon’ity mpanakanto ity isan-taona ny ao an-toerana, nanomboka ny taona 90. Izay tsy mbola mety afaka ao am-pon’ny taranaka maro ni­fandimby. […]

Fialantsasatry ny mpianatra: Tsy afa-mivelatra amin’ny kolontsainy ny tanora

Miala sasatra ny mpianatra. Manao izay tiany hatao ? Raha ny tokony ho izy, tsy mifanalavitra amin’io. Saingy, maro ihany koa ny tsy afaka ataony. Iray amin’ireny ny kolontsaina sasany. Ny faniriana betsaka fa ny fanatanterahina, mbola tena sarotra. Ny hanatanteraka fialan­tsasatra iarahana, efa tena sarotra. Ny handeha hivoaka ny tanàna […]

Fifaninanana « Tafan-gilita »: Hampitiavana indray ilay revy gilita

Tany amin’ny fiandohan’ny taona 80 tany no tena nahazo vahana ny « revy gilita ». Nisy fotoana nihalefy, ka tiana haverina indray izay fankafizana ny gitara izay, amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny « Festival Tafan-gilita ». «Tonga i Ledama nibako gilita e, gilita manjabe… » Maro no mahay io hiran’ny Lôlô sy ny tariny io, […]