Other News

SOMBIM-BAOVAO

Ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka ny Ankoay, any Frantsa, ho fiatrehana ny Afrobasket. Lalao ara-pirahalahiana voalohany hatrehan’izy ireo ny fifandonany amin’ny ekipa ao Frantsa, i Mil-Yon, anio zoma 11 jolay. Hifandona amin’ny Team Paris kosa ny Ankoay rahampitso sabotsy 12 jolay any Frantsa ihany. Ao amin’ ny kianja Angelo Parisi no […]

FTF Tournament 2025 : Hetsika atao hampiray an’Antananarivo

Handray endrika tsy mbola nisy hatramin’izay ny tontolon’ny baolina kitra an-dReni­vo­hitra manomboka amin’ny 17 aogositra hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Nam­baran’ny Team FTF, omaly, fa hiroso amin’ny andiany voalohany amin’ny “Fokontany Tour­nament and Fiesta” izy ireo. Hetsika goavana mikendry hampivondrona ireo fo­kontany amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy lanonana ara-kolontsaina izany. […]

Rally TMF : Mpanamory 31 hiady lohany

Hanomboka anio, ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na ny Rally TMF. Fifaninanana karakarain’ny klioba Team Mika Faniry. Mpanamory 31 hiady lohany. Anisan’ny hifampitady amin’izany, ry Mathieu Andrianjafy avy amin’ny Asacm, izay hiova fiara hoentina ka amin’ity hitondra Subaru indray ny tovolahy. Ankoatra azy, eo koa […]

Coupe Internationale de Tanà : Maherin’ny 400 ny mpikatroka handray anjara

Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Coupe Internationale de Tanà”, taranja karate. Efa tonga daholo ny vahiny nasaina ary maherin’ny 400 ny mpikatroka hifaninana. Fifaninanana iraisam-pirenena sambany ho an’ny tantaran’ny karate malagasy ity “Coupe Interna­tionale de Tanà”, hanomboka anio 11 jolay ary haharitra ha­tramin’ny 13 jolay ity. […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny fitsarana sy ny fonja ao Ste Marie ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly. Nojerena tamin’izany ny toerana azo hanorenana fonja vaovao. Eo koa ny fanatsarana ny fepetra iasana sy ny fiarovana ny zon’ny voafonja. Tsiahivina fa niatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra tany an-toerana ny […]