Other News

Isika miara-mientana !

  Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”. Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa […]

Filoha Rajoelina Andry : “Handray ny mpiasan’ny Jirama aho”

Manoloana ny fitakian’ny tambaben’ny mpiasan’ny Jirama fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa handray ny mpiasan’ny Jirama sy ireo sendika izy. «Milaza aho eto fa handray ny mpiasan’ny Jirama sy ireo sendika ary ireo olona rehetra mba hitondra izay zavatra mampiahiahy: inona no tena mety hisian’ny tsy fifankahazoana […]

Fampiofanana mpanao gazety ara-panatanjahantena: Miezaka miompana amin’ny resaka niomerika ny fifampizarana

Mivoatra ny asa fanaovan-gazety. Nisongadina tamin’ny fiofanana natao tetsy Antanimena ny firosohana ny vaovao niomerika. Tsa­pa sy hita izany ankehitriny, ary sa­my mahatsapa ny maha zava-dehibe an’ity fifampizarana ity ireo mpiofana. Hifarana anio, etsy amin’ny orinasa Ultima Media, Antanimena, ny fampiofananana mpanao ga­zety ara-panatanjahantena. Miisa sivy mianadahy, roa vavy sy […]

EDBM-MDE : Tohanana ny vehivavy mpandraharaha

Mpandraharaha tanora ma­herin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-mi­asa eo amin’ny Economic Development Board of Mada­gas­car (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy […]

Orinasa Star : 1,5 miliara Ar isan-taona hanofanana ny mpiasa

Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa […]