Other News

“Women’s Serie” : Ratsy fanombohana ny Ankoay

Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, […]

“Cosafa 2025” : Hiady ny medaly alimo sisa ny Barea de Madagascar

Nahintsan’i Angola teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, atao any Afrika Atsimo, ny Barea. Lavo tamin’ny isa 4 no ho 1. Tsy nahovoka! Resy 4 no ho 1 teo anatrehan’i An­gola, ny Barea de Mada­gascar, nandritra ny lalao manasa-dalan’ny “Cosa­fa 2025”, taranja baolina kitra, izay notontosaina tao amin’ny Kianja Toyata […]

Fanabeazana sy kolontsaina: Tokony hanana angon-tahiry ny isan-tokantrano

Saika manana olana avokoa ny ankamaroan’ireo toerana natao hitahirizana sy mirakitra ny tantara, kolon­tsaina, taratasim-panjakana fahiny, tahirin-tsary fahizay, sns, eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva. Ani­san’ny vahaolana hoenti-miatrika ireo ny tokony hananan’ ny isan-tokantrano ny tahiriny manokana (milaza ny momba ny tetiharana, […]

TARATRY ny KANTO

« Ilo sy Tsiky », antsan-tononkalo hotonto­saina ao amin’ny kolejy SFX Ambatomena Fiana­ran­tsoa, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hizara ny sanganasany mandritra izany i Hasi-Noro, poeta mpikambana amin’ny Faribolana Sandratra Fianarantsoa. Havoaka mandritra izany ihany koa ny boky mirakitra ireo asa sorany. Aorian’izay, hotontosaina anio ny dingana famaranana an’ilay fifaninanana tononkalo […]

« Festival Fanilo »: Ho fanilon’ny kolontsaina eto Madagasikara

Hetsika ara-kolontsaina vaovao, saingy manana tanjona lavitra ezaka. Hampiakatra ny kolontsaina, hanokatra sy hampivelatra izany no kasain’ny « Festival Fanilo ». «Fetin’ny Mozika », hanomboka ny 21 jona ka hifarana mandritra ny Fetin’ny Faha­leovantena, ny 26 jona. Misy antony lehibe izany, ho an’ny andiany voalohany amin’ny « Festival Fanilo », izay hotontosaina eny amin’ny […]