Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika […]
Other News
Fadintseranana : Ampiasaina ny niomerika amin’ny fitantanana ny mpiasa
Mitohy hatrany ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’izany ny fitantanana sy ny andraikitra omena ny mpiasa. Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa « Projet 29 », mahakasika ny fitantanana ny mpiasa mifototra amin’ny fahaiza-manaony ao amin’ny fitantanana foibe ny habantseranana (DGD). Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa stratejika 2024-2029 ny fametrahana ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsara fanombohana ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, tao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy Seniors, tanterahina any Hongrie. Nandresy ilay teratany Danoise, i La erke Olsen, izy tamin’ny Uchi Mata (ippon), nandritra ny ady voalohany natrehany omaly, ary tao anatin’ny 31 sengondra monja ny nandreseny ity […]
FIBA 3X3 Quest Alley Hoop: Hatao eo amin’ny Parvis Analakely
Hotanterahina, ny 30 sy 31 aogositra izao, eny amin’ny Parvis Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Quest Alley Hoop”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana hitiliana ny ekipa hiatrika ny “World Tour” hatao any Chine, ny volana oktobra izao, ity lalao ity. Nosafidiana manokana ny hanatanterahana ny lalao manoloana ny […]
Rallye: Mitarika vonjimaika i Faniry TMF
Taorian’ny fahavitan’ny Rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny familiana fiarakodia, mitarika vonjimaika Rasoamaromaka Faniry, mpanamory avy amin’ny klioba TFM. Manana isa 35, arahin-dRabetafika Daniel avy amin’ny Asa Tanà, amin’ny isa 26. I Aro Kiady, ekipazy ny klioba ASACM kosa ny fahatelo nahazo isa 18. […]






