Other News

TARATRY ny KANTO

Handray ny “Fetin’ny Mozika” ihany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny sabotsy 21 jona izao. Tarika 25 be izao no hifandimby ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina, hizara mozika maroloko ao. Misy amin’ireo no vao misandratra, misy koa ireo efa malaza sy matihanina. Hisy ny fandraisana anjara manokan’ny […]

Na eo aza ny fanarahana vanim-potoana: Itoeran’ny fifanajana ny fanaovana fomba amam-panao

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fanatanterahana ireo fomba amam-panao, ankehitriny, ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny didimpoitra sy ny famadihana. Efa niova endrika tsy sahala amin’ny tany aloha izy ireny noho ny zava-misy samihafa. Io fiovana manaraka ny toetrandro io no mila fitandremana fatratra, satria, tsy tokony hanova ny fototra. Rehefa manao […]

“Festisôva » andiany faha-8 : Homena sehatra ireo mpisôva mpandimby

Mila homanina ny mpandimby mba tsy ho very ny kolontsaina. Mitodika any amin’ireo tanora mpanao vakisôva indray ny “Festisôva” andiany faha-8, amin’ity. Hisokatra amina sehatra hafa koa ny hetsika. 21 jona, “Fetin’ny mo­zika”. Nosafidiana manokana hanaovana ny “Festisôva” andiany faha-8 ihany koa io, eny amin’ ny Kianja basikety Andraisoro. Toy […]

FANTINA sy FINTINA

Nanazava momba ny fomba fiasa amin’ny fakana ny hetran-tany sy ny hetran-trano anivon’ny kaominina ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, tetsy Anosikely. Nambarany fa tsy lasan’ny fanjakana foibe ny vola amin’izany. “Tsy miova ny lalàna amin’izany. Hampiasa teknolojia ny fanjakana hanatsarana ny fampidiran-ketra”‘, hoy izy. Tsy hanaiky ny […]

Fisitrahana vaovao : Mitaky mangarahara amin’ny parlemanta ny OSC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fikambanamben’ ireo fiarahamonim-pirenena (OSC) miisa 19, omaly. Ni­voitra tamin’izany ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe, fepetra tsy azo ihodivirana amin’ny demokrasia. Notakin’ izy ireo ny amin’ny fandraisana maika ny lalàna momba ny fahazoana miditra amin’ny vaovao ho an’ny daholobe. Mifanaraka amin’ny fitsipika demokratika, indrindra ny […]