Mitondra fanavaozana amin’ireo tolotra ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Ankehitriny, azo atao ana habaka ny famandrihana toerana. Mba hanakaikezana ny mpanjifa, natsangana ny tranokalan’ny orinasa: www.madagascarairlines.com. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amadeus, mpisehatra mavitrika sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny sidina. Araka izany, azon’ny mpandeha atao ny mamandrika sy […]
Other News
Banky iraisam-pirenena: Mahantra ny olona miaina amina 3 dolara isan’andro
Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany. Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena […]
« Fetiben’ny haiady »: Nampiseho ny fahaiza-manaony ny FDS
Natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fetiben’ny haiady nokarakarain’ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Tanjona ny hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny FDS satria tafiditra ao anatin’ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana […]
«Échec» – maneran-tany : Tao anatin’ny ekipa afrikanina i Fy Antenaina
Notontosaina ny 11 hatramin’ny 15 jona teo, tany Londres, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs (Blitz & Rapide). Tsy diso anjara i Madagasikara, fa nanana solontena, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy Antenaina. Anisan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipa afrikanina mantsy izy tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny vokatra kosa, laharana faha-29 ny ekipa […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao soro-baton’ilay jamba
Matetika rehefa manao zavatra ny federasionina na ny ligy, eny hatramin’ny seksiona aza, toa tsy mijery lalana hany ka toa manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Ny jamba rehefa mandeha, tsy mahita izay eo anoloany, rehefa midona amin-javatra vao mahalala mivily. Raisina ho toy izany ny zava-misy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena […]






