Other News

Mamirifiry, mampangirifiry

  Tena efa latsaka anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tena efa mamotsifotsin’ny fanala ny bozaka aman’ahitra eny ankalamanjana rehetra eny. Sanatria, efa hivadika ho lagilasy mihitsy amin’ny faritra sasantsasany. Tena mamirifiry, mipaka amin’ny taolana, ara-bakiteny ny hatsiaka. Mila mitandrina ny olona marefo sy izay taizan’aretina. […]

Fiaraha-miasa amin’i Slovénie : Laharam-pahamehana ny angovo sy ny fampianarana

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Slovénie, Sem Natasa Pirc Musar ny filoha Rajoelina Andry. Fitsinjovana ny ho avy! Nanamafy ny fiara-mia­sa amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara sy ny firenena Slovène. Lafin-javatra telo no noresahin’ny filoha […]

Federasionina malagasin’ny tolona : Hiditra amin’ny fampiofanana an-tsekoly

Taorian’ny fifaninanana afrikanina natao tany Maroc, hanomana hetsika maro ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML). Araka ny fampitam-baovao nataon-dRavelo­son Mamitiana, filohan’ny fe­derasionina FML, ny sabotsy teo, tetsy Ampefiloha, hiditra amin’ny hetsika fampiofanana ny taranja eny an-tsekoly, “Wrestling School”, izy ireo, ny 6 jona ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, raha […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany. Nandrombaka medaly […]