Hafa noho ny fahita hatramin’izay! Volana jona, hanamarihina ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ho an’ity taona ity, hisy hetsika lehibe hotanterahina ny 1 jona, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny zaridainan’Andohalo. Fotoana hanasongadinan’ny kanto telo mampiavaka ny kolontsaina malagasy: kabary sy hiragasy ary varibemenaka. Haneho ny hasin’ny teny malagasy […]
Other News
Nametraka be ho an’ny kolontsaina: nifindra tontolo ny Tsimitoviaminandriandehibe Xhi
Xhi sy M’aa. Anarana mitakosina amin’ny tantaran’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izany. Nifindra tontolo i Xhi, nodimandry ny alarobia lasa teo. Banga ny tontolon’ny kolontsaina. «Noho ny fihavanana dia mampandre anareo izahay fa niamboho ny Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy », hoy ny fianakaviany.Toy ny vara-datsaka ny vaovao ho an’ny tontolon’ny zavakanto […]
SOMBIM-BAOVAO
Nandrombaka medaly volamena tamin’ny fifaninanana « Acnoa », faritra fahafito, izay atao any Seychelles, ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy, nandritra ny famaranana ny lalao isan-tarika ny alarobia lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Maurice. Nahazo medaly volamena dimy tamin’ny taranja lomano ny Malagasy […]
Fampivoarana ny asa an-tserasera: mpanao gazety ara-panatanjahantena niofana
Ny fiainana fianarana foana! Mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena miisa folo mianadahy, roa vavy sy valo lahy, no nisitraka fampiofanana izay tarihin’ilay frantsay mpanao gazety, Richard Eric, sy Raoto Andriamanambe, teratany malagasy. Naharitra dimy andro teo ny fampianarana nataon’izy mirahalahy ireto, izay nanomboka ny 5 mey hatramin’ny omaly, teny Ankorondrano. Tsara marihina […]
Basikety- Acnoa : tafita amin’ny manasa-dalana ny Ankoay
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Taorian’ny fandresena telo tamin’ny lalao telo, nataon’ireo Ankoay U18, lahy sy vavy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondron’ ny lalao Acnoa, faritra fahafito, izay natao ny alarobia lasa teo, tany Seychelles, tafita amin’ny manasa-dalana izy ireo. Araka ny vaovao voaray, hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao vehivavy, i […]