SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka medaly volamena tamin’ny fifaninanana « Acnoa », faritra fahafito, izay atao any Seychelles, ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy, nandritra ny famaranana ny lalao isan-tarika ny alarobia lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Maurice.
Nahazo medaly volamena dimy tamin’ny taranja lomano ny Malagasy mpilalao, ny talata lasa teo, tany Seychelles. Fahombiazana azo nandritra ny fifanintsanana « Acnoa », faritra fahafito, izay tanterahina any Seychelles, ny 6 hatramin’ny 12 mey. Tsiahivina fa miisa valo mianadahy ireo Malagasy mpilomano any an-toerana.
Ho fantatra ny 15 mey ho avy izao ny fanapahan-kevitra farany havoakan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny Baolina kitra (Caf), mahakasika ny kianja Barea. Tsiahivina fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf io kianja io, saingy miezaka mandresy lahatra azy ireo ny handraisan’i Madagasikara ny lalao iraisam-pirenena roa ny volana jona ho avy izao ny FMF sy ny fanjakana.
Fantatra afakomaly alina teo ireo ekipa roa tafita amin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions 2024». Hi­fa­nandrina amin’izany ny ekipan’ny Dortmund Al­lemagne sy ny Real Madrid Espagne. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, ny volana jona ho avy izao.

Partager sur: