Fampivoarana ny asa an-tserasera: mpanao gazety ara-panatanjahantena niofana

Ny fiainana fianarana foana! Mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena miisa folo mianadahy, roa vavy sy valo lahy, no nisitraka fampiofanana izay tarihin’ilay frantsay mpanao gazety, Richard Eric, sy Raoto Andriamanambe, teratany malagasy. Naharitra dimy andro teo ny fampianarana nataon’izy mirahalahy ireto, izay nanomboka ny 5 mey hatramin’ny omaly, teny Ankorondrano.
Tsara marihina fa miasa amin’ny sehatra samihafa avy ireo mpiofana. Mpanao gazety iray izay mpampita vaovao amin’ny haino vaky jery nasionaly, ny iray an’onjampeo ary ny ambiny an-tsoratra. Na­nome torolalana amin’ny fo­mba fakana vaovao eny an-kianja ireo mpampiofana. Nisy ny fidinana ifotony natao, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny toerana hivondronan’ ireo vehivavy mpilalao, Makis Ladies, tetsy Ivato. Nisy ny andrana an-tsoratra natao, mba hahafahan’ireo mpampianatra mijery ny lesoka sy manatsara ny fomba fiasa.
Tsara ny mampahafantatra fa ny sivy amin’izy ireo, mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Ho fanamarihana ny fotoana omaly, nisy ny fizarana taratasy fankasitrahana ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ity hetsika nokarakarain’ny Geppim sy ny Media francophone ity.

Fitia Randria

Partager sur: